<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>10</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Tomponay Tsitoha ô!
 Mpanao izao tontolo izao,
 Ankalazainay Hianao
 Fa lehibe ny herinao,

[V2]
 Ny hiran'ny anjelinao
 Manerana ny lanitra,
 Manehoeho fatratra
 Ny hobin'ny voaavotra;

[V3]
 Fa masina, fa masina,
 Fa masina i Jehovah!
 Ka heniky ny lazanao
 Ny tany sy ny lanitrao.

[V4]
 Ireo mpitory irakao
 Mihoby eo anilanao,
 Nahefa fanompoana,
 Mihira ny fisaorana

[V5]
 Izao olonao rehetra izao
 Dia mino sy manaiky Anao
 Ho Ray Tsy miova sady to,
 Mahery ny mpamindra fo.

[V6]
 Ny Zanakao nirahinao
 Sy ny Fanahy Masinao
 Isaoranay Anao, ry Ray,
 Fa foto-pamonjena anay!

[V7]
 Ry Kristy ô, Mpanjakanay
 Mitovy hery amin-dRay</lyrics>
<title>Ry Tomponay Tsitoha o! FFPM10</title>
<author>L. Bourgeois</author>
</song>